- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversMaevarano-Bemokotrà : Dahalo iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Maevarano-Bemokotrà : Dahalo iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Fitsaram-bahoaka indray! Lehilahy iray izay voalaza fa naman’ireo dahalo nanafika tao amin’ny fokontany Maevarano, kaominina ambanivohitra Bemokotrà, disitrikan’i Maevatanàna iny no nianjeran’ny hatezeran’ny fokonolona indray. Niafara hatramin’ny famoizan’izy ireo ny ainy mihitsy moa  izany.  Araka ny tati-baovao avy any an-toerana, dia nisiana tranga halatr’omby teo amin’io tanàna voalaza etsy ambony io, ny Zoma alina lasa teo. Omby am-polony no nokasain’ireo malaso nanao andiany ireto nangalarina, tamin’io fotoana io. Tsy nanaiky lembenana intsony anefa ireo fokonolona ka dia niezaka niaro ny fananany hatramin’ny farany. Raikitra ny fifanandrinana, ka izao lavo izao ny iray tamin’ireo dahalo. Araka ny fantatra hatrany, dia mbola nisy namany tamin’ireo olon-dratsy no naratra mafy vokatr’izay hatezeram-bahoaka izay, saingy lasan’ireo namany navotana haingana. Tsy nahavita ny asa ratsiny nokasainy hatao akory moa izy ireo tamin’izany. Tsy nisy naninona kosa ireo fokonolona. Fantatra, fa efa nampandrenesina ny mahakasika ity tranga ity, ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana ary efa nanokatra ny fanadihadiana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici