- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatana : Dahalo roalahy tratra tanaty taxi-brousse

Maevatana : Dahalo roalahy tratra tanaty taxi-brousse

Roalahy nitondra basim-borona « calibre 12 marque Robuste » sy basy vita gasy iray niaraka tamina bala maromaro no voasambotry ny zandary ao Maevatanàna nandritra ny sakana natao tao Berivotra 5/5, afak’omaly alina, tamin’ny 11 ora. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary tany an-toerana dia ny mpamilin’ilay taxi-brousse nandehanan’izy ireo no nampilaza haingana ireo zandary, ny amin’ny fisiana olona roa mampiahiahy ao anaty fiara. Ary tsy vitan’izay fa mbola nandray entana hafahafa ihany koa izy ireo teny an-dalana. Efa dify an’i Maevatanana vao azo ny antso ka tany amin’ny kaominina Berivotra 5X5 no napetraka ny sakana, hisavàna izany olona hafahafa izany. Sarona teo moa ireo basy sy bala niaraka tamin’ny ody gasy mahery maro. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny Zandary avy ao amin’ny Vondron-tobim-pileovan’i  Betsiboka, dia nilaza izy roa lahy ireto fa mpamboly avy any Nanarena Distrikan’i Betroka, ary handeha hamonjy naman’izy ireo any Andranofasika Distrikan’ Ambato-Boeny. Tao anatin’ny famotorana hatrany, dia hita tao anatin’ny findainy ny iray tamin’ireto dahalo voasambotra ny laharan’ny findain’ilay olona nanafatra sy hivantanan’izy ireo any Andranofasika. Aoarian’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana moa, dia hatolotra ny Fitsarana tsy hoela ireto roa lahy sarona nitondra basy tsy ara-dalàna. Manentana hatrany ny tsirairay hatrany moa ny eo anivon’ny zandary mba hanome vaovao tahaka izao raha vao misy mampiahiahy hamongorana ny ratsy.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici