Mihorohoro tanteraka ireo mponina aty amin’ny renivohim-paritra Betsiboka an-kehitriny amin’ny fahitana von’olona etsy sy eroa, izay manao sesilany. Raha ny angom-vaovao voaray hatrany dia ny Alahady faha 17 Novambra taona 2024 teo, tokony tamin’ny telo ora maraina tany ho any no nisy niantso an-telefaonina ny polisim-pirenana eto Maevatanàna, fa nisy faty nitsirara tamin’ny arabe, teny ambon’iny biraon’ny Jiro sy Rano Malagasy. Tsy niandry ela ny mpitandro ny filaminana rehefa nahare izany no tonga dia nitondra ny razana tamin’ny fiara, teny amin’ny hopitalibe Morafenokely, ary taorian’izay no namoy ny ainy, ity farany, vokatry ny ratra sy fivakisan’ny loha aoriana. Tahakan’ireny vaokapaka tavoahangy labiera ireny. Efa nomena ny havany eny Morafenokely, ao amin’ny » Vato mipoka, » moa ny razana. Mitohy tsy misy hatak’andro kosa ny fikarohana ataon’ny polisy aty an-toerana, manoloana ny zava-nitranga.
Ratantely