Miato tsy misy hatak’andro ny fampianarana ao amin’ny Liseam-panjakana Razafimahefa Roger, CEG Benoît Bevava, Collège de Référence, Lycée Technique et professionnel. Nanao sesilany ny fanambarana nataon’ireo mpampianatra nanomboka ny Alatsinainy sy Talata faha 14 Oktobra taona 2025 teo, izay naneho ny fitakiana amin’ny famerenana ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, indrindra ny ato anatin’ny Dren Betsiboka. Nanomboka ny fanambarana hoan’ny fari-piadidiam-pampianarana Maevatanàna dia ny mpampianatra avy ao amin’ny Liseam-panjakana Razafimahefa Roger, ary ny fitambaran’ny mpampianatra avy ao amin’ny CEG Benoît Bevava sy Collège de Référence no nanohy. Namarana ny fanambarana ihany koa hoan’ny andron’ny Atalata lasa teo dia ny mpampianatra ao amin’ny Lycée Technique et professionnel Maevatanàna. Nanamafy nandritra ny fanambarana ireo mpampianatra rehetra ireo, fa miato tsy misy hatak’andro ny fampianarana, avy amin’ireo sekoly manomboka izao, mba ho tombotsoan’ny mpanabe amin’ny lafin’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fitakiana.
Ratantely