- Publicité -
samedi, octobre 25, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna an-tampon-tanàna : Tomponandraiki-panjakana, tokony ho zanaky ny faritra hatrany

Maevatanàna an-tampon-tanàna : Tomponandraiki-panjakana, tokony ho zanaky ny faritra hatrany

Tsy manaiky lembenana amin’ny fanendrena tomponandraikitra ara-panjakana tsy zanaky ny faritra Betsiboka, ireo mpikambana ao anatin’ny birao maharitry ny Komitin’ny Tolona ho an’ny Fanavaozana. Ny talata maraina faha-21 oktobra taona 2025 teo iny no nifanome fotoana, tao amin’ny  » Restaurant Kat-tsem  » ireo mpikambana ao anatin’ny birao maharitry  ny Komitin’ny Tolona ho an’ny Fanavaozana eto amin’ny faritra Betsiboka. Nohamafisin’ireto farany fa mijoro ho an’ny rehetra ny Komitin’ny Tolona ho an’ny Fanavaozana, izay ahitana solontena amin’ny disitrika mandrafitra ny faritra Betsiboka: Maevatanàna, Tsaratanàna, Kandreho. Nilaza hatrany izy ireo fa tsy manaiky lembenana intsony amin’ny fanendrena tompon’andraikitra ara-panjakana tsy zanaky ny faritra, ka tsy nandalo tamin’ny mpikambana ny fanadihadiana momba azy, ary tokony ho olona mahalala tsara ny olan’ireo disitrika voalaza etsy aloha.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici