Nisy 45 ireo polisy naparitaka hitandro ny filaminana, teny anivon’ny fiaraha-monina sy ny elakelan-trano, ary ny fokontany, nandritra ny fety faran’ny taona sy taom-baovao, ho an’ny teto Maevatanàna an-tampon-tanàna. Raha ny vaovao marim-pototra voaray hatrany dia nahitam-bokany ny ezaka nataon’izy ireo, satria voasoroka mialoha ny tranga fanafihana, tao amin’ny fokontan’Ambodimadiro, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra, ny alin’ny faha 31 desambra taona 2024 lasa teo iny, vokatry ny vaovao ara-potona voarain’ireo polisy tamin’ireo mpiara-belona, teny amin’ny toerana nisehoan’ny fanafihana. Tsy nahitana lozam-pifamoivoizana ihany koa taty an-toerana tamin’iny fety teo iny, fa mpamily roa no kimamomamon-toaka, nandraisana fepetra avy hatrany. Olona iray no torana tsy nahatsiaro tena noho ny hamamoana diso tafahoatra teny an-dalana, saingy nentin’ny mpitandro ny filaminana eny amin’ny hopitalibe Morafenokely, ary efa nahazo fitsaboana sahaza azy. Raha hofintinina tokoa ny zava-nisy dia sady niaina tao anatin’ny fety am-pilaminana ny mponina no mitohy tsy misy hatak andro hatrany ny fitandroana ny filaminana ataon’ny polisim-pirenana aty amin’ny renivohi-paritra Betsiboka, raha ny fanazavan’Atoa Tsiaremby Derval Péguy » Chef Commissariat de sécurité publique de Maevatanàna. »
RatantelyArticles qui pourraient vous intéresser