Najakany firasa-po sy firaisakina. Manadanja lehibe hoan’ny firenena Malagasy fisian’ny foloalindahy, indrindra fa fananana mpitarika mafehy azy ireny, ho tena tandroka aron’ny vozona handrindra ny fandriam-pahalemana. Ireo toerana nahitana n’y tobiny tafika dia saika nanamarika ny andron’ny manamboninahitra avokoa ny 12 Janoary teo. Tontosa soamantsara ny fanatanerahana ny andron’ny manamboninahitra hoan’ny teto amin’ny renivohim-paritra Betsiboka. Mifamadika tanteraka amin’ny andavanandro ny amin’io andro io ny, ka manamboninahitra zandriny no mandray ny fibaikona, dia lietinà Razafimanantsoa Toaviniaina Brice izany. Aorian’ny famohazana isan-tokantrano ireo » Officier » dia niroso tamin’ny fanaganantsaina sy fanolorana gisa » oie Traditionnelle » hoan’ireo manamboninahitra zokiny. Niroso tamin’ny hazakazaka ara-pirahalahina niaraka tamin’ny manamboninahitra lefitra. Notohizana tamin’ny fifaninana ara-panatahantena ( Basket-ball) ka nibata fandresena ny manamboninahitra tamin’isa 75-67. Ary nofaranana tamin’ny fiarahana misakafo sy fihalana hetaheta ny androny 12 Janoary 2024 iny.
Ratantely