- Publicité -
mardi, janvier 20, 2026
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Andron’ny sekoly, dihy maroloko

Maevatanàna : Andron’ny sekoly, dihy maroloko

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny Lisea Razafimahefa Roger, ato amin’ny Zap Maevatanàna voalohany, ny andron’ny sekoly hoan’ny Dren Betsiboka, ny marainan’ny Alarobia faha 27 Febroary 2024 lasa teo. Sekoly ivon’ny fiarahamonina, sy mpianatra vonona ary vanona ho amin’ny fandrosoana lovainjafy no lohahevitra ny fankalazana. Hetsika sy dihy ara-kolotsaina maro loko no nentin’ireo sekolim-panjakana sy sekoly miahy tena, naneho ny maha sekoly ivon’ny fiarahamonina azy ireo, nandritra izany. Teo ihany koa ny fampirantina ireo fitaovana enti-mampianatra, izay notsidihan’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Tsara hatrany mampahafantatra eto am-pamaranana ny lahatsoratra, fa ny seketera Jeneralin’ny faritra Betsiboka no nanokatra ny fankalazana sy ny hetsika tamin’ny fomba ofisialy, ary tonga nanome voninahitra ny fotoana, ihany koa ny zaman-jaza eo amin’ny tontolon’ny fampianarana, aty an-toerana, ny talem-paritra ny fanabezam-pirenana Betsiboka,  Atoa Vonjy Tantely.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter