Nivoaka tamin’ny fahanginana rehefa takon’ny MAPAR tanteraka, ny antoko tao anatin’ny telo taona lasa izay. Tsy dia nandrenesam-peo firy intsony mihitsy rehefa niditra tao anatin’io vondrona io. Niverina naneho ny heriny anefa ny TGV ny Asabotsy 16 Septambra lasa teo. Tao amin’ny kiajaben’ny La Place Maevatanàna no nankalaza sy nanao ny hetsika rehetra, ary tazana tamin’izany, fa nihanahazo aina. Nabaribarin’ny TGV tamin’io fety sy hetsika rehetra nikarakarainy, fa mbola misy ny antoko ary mijoro hatrany ireo mpikambana ao antiny. Isan’ny nangatahan’ny mpikambana teto an-toerana mihitsy aza,niakaran’ny mpandrindra ny antoko TGV ato amin’ny faritan’ny Mahajanga, i Rtoa Ninah depioten’ny Mahajanga voalohany, no tonga teto Maevatnàna tamin’ny fety nokarakarian’ny antoko TGV avy eto an-toerana. Nanetsiketsika ny fandraisana anjara ireo TGV sy ny loko mahazatra azy tamin’ny fety sy ny hetsika ara-panatajahantena, nandritra tontolo androny Asabotsy, izay notarihan’ny Atoa Christien filohan’ny fikambanana ato amin’ny faritra Betsiboka.
Ratantely