- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Atrikasa fanatsarana ny fifamoivoizana

Maevatanàna : Atrikasa fanatsarana ny fifamoivoizana

Tsikaritra fa mihamitombo ny tsy fanarahan-dalàna  misy eo amin’ny fifamoivoizana eto Madagasikara. Tonga tao Maevatanana ny Komandin’ny vondrom-piadidian’ny zandarimaria ao amin’ny faritanin’i Mahajanga (CIRGN), ny Colonel D’Y La Paix Ralaivoanary  Andrianosy ny alatsinainy  06 may lasa teo. Namory ireo manam-pahefana sy ny tompon’andraikitra  eo anivon’ny prefektiora sy ny Fitaterana ka nanatanteraka atrikasa entina handrindrana sy handaminana izany fifamovoizana izany, ity tompon’andraiki-panjakana ity. Atrikasa izay natrehan’ny solontenan’ny talen’ny Bianco eto an-toerana. Tanjona amin’ izany ny fanatsarana ny fifamoivoizana ary naverina ny lamandy “forfaitaire” sy ny fisintonana ny fahazoan-dalana mamily fiarakodia na  “retrait de permis ,ny fampidirana “fourriere”  , ny fampiantoana ireo fiara efa ratsy ary ny fanarahan-dalàna eo amin’ny lanja sy ny haavon’ny entana hoentina. Nisy ihany koa ny fitokanana ny takelaby lehibe misy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana napetraka eny amin’ny arabe rehetra. Tsara homarihana, fa efa nisy tany Mahajanga izao atrikasa izao ary notohizana tany Antsohihy, ny 08 may lasa teo. Mpitatitra manara-dalàna ary lavitra ny loza no tanjona isam-paritra.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici