Lehilahy iray indray no voatsatoka antsy teo amin’ny tendany sy ny tratrany, raha nody avy niandry faty tao amin’ny fokontany Anosikely Atsimo, Kaominina Maevatanàna voalohany, ny zoma tokony tamin’ny 11ora alina. Araka ny vaovao voaray dia teo Andranomangatsiaka, izay efa eo akaikin’ny tranon’ity ranamana ity, izy no nisy nisakana, ary vantany vao lasa aloha keliny, teo amin’ny maizina dia notsatohany antsy ilay ranamana, teo amin’ny tendany sy tratrany, saika nahazo ny fony, avy niandry faty ity, ary nitsirara teo amin’ny arabe, saingy mbola nahavita niantso vonjy. Fa ilay mpanao ratsy nilefa malaky namonjy ny tetezana Ambatofotsy, izay toerana ataorana rehefa amin’ny alina. Taitra ny teo amin’ny manodidina ka namonjy an’ity lehilahy voatsatoka antsy ity, izay efa nihosin-drà, fa ilay mpanao ratsy kosa tsy hitan’ny fokonolona. Tonga dia nentina malaky teny amin’ny hopitalibe Morafeno kely, mbola nahatsiaro tena teny am-pandehanana, ka nilaza fa fantany sady hitany ilay nanindrona antsy azy. Rehefa tonga tao amin’ny hopitalibe vao torana izy. Nony maraina ny andro dia niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana ireo havany nijery ilay olona nahavita ny loza, ka tsy tratra tao an-tranony izy, izay monina ao Ambodivona Ambatofotsy. Ilay niharan-doza moa izay mbola miady aman’aina amin’izao anoratanay izao, fa ilay lehilahy nanindrona antsy azy kosa mbola karohin’ny mpitandro ny filaminana hatramin’izao. Manoloana izay dia nandray andraikitra ny sefom-pokontany ao Ambatofotsy amin’ireo olona mpivahiny tsy manana pasipaoro sy tsy misora-bahiny eny anivon’ny fokontany, satria raha ny filazany dia io olona nahavita nanao izao tsindrona antsy izao dia olona tsy manana antontan-taratasy mikasika azy. Izay indrindra no andraisana fepetra amin’ireo olona tsy manara-dalàna. Satria efa maloto loatra ny fokontany Ambatofotsy izay ahitana tranga famoizana ainan’olona. Ataon’ireo olon-dratsy fialokalofana ny tanana, hoy ity filoham-pokontany iray ity.
Ratantely