- Publicité SW45 -
samedi, septembre 28, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Bajaja nivadika, olona telo naratra mafy

Maevatanàna : Bajaja nivadika, olona telo naratra mafy

Tra-doza teny an-dalana hihazo eny amin’ny « Station shelle » ilay bajaja iray, ny alakamisy maraina lasa teo, vokatry ny fivadihana. Ankoatra an’ilay mpamily voalaza fa naratra mafy dia fantatra fa nisy mpandeha iray naratra. Nieren-doza kosa ilay ankizy niampita lalana, tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Tokony ho tamiin’ny folo ora maraina teo no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana ity, teny amin’ny fokontany Antanambao, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany. Avy eny amin’ny « Gare routiére » ity Bajaja iray nitondra mpandeha iray ity, namakivaky ny lalam-pirenena fahefatra. Nony tonga teo amin’ny toerana voalaza etsy ambony izy no niseho ny loza. Araka ny fampitam-baovao voaray dia niala an’ilay ankizy niampita lalana tampoka ny fiara fitateram-bahoaka. Tsy voatanan’ny mpamily intsony ny familiana raha tao anaty fiolahana izy ireo. Mazava ho azy fa somary nandeha mafy ny fiarakely tamin’izay. Vokany: rehefa nikivilavila ilay fiara dia nivadika teny amin’ny sisin’arabe. Mpamily sy mpandeha iray tao anatin’ny bajaja manao zotra eto an-tampon-tanànan’i Maevatanàna no isan’ireo naratra. Voatsindrin’ny  bajaja kosa ilay ankizy, ka noezahan’ny fokonolona novonjena malaky, soa ihany fa avotra ny tenany. Nijanona namonjy an’ireto tra-boina ny fiara rehetra nandalo nahita ny loza. Ireto farany moa samy noezahana haingana nalefa tany amin’ny hôpitalibe Morafenokely. Nampandrenesina haingana ihany koa ny mpitandro ny filaminana hanao ny fisavana sy ho fiarovana ny faritra nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana.

Ratantely

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici