Iray volana latsaka taty aoriana, nifandona indray tamin’ireo miaramilan’ny Zrps Delta tao Maevatanana, ny tarik’ilay dahalo namono nahafaty ny naman’izy ireo ny voalohandohan’ny taona teo. Araka ny fampitam-baovao nomen’ny teo anivon’ny Tafika, dia nisy ny fifanenjehana sy fifandonana eo amina andian-dahalo ny herinandro nivalona teo. Raikitra tamin’izany ny fifampitifirana ka nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no maty voatifitra. Fantatra fa dahalo rain-dahiny amin’ny halatr’omby sy vono olona izy io. Ary mbola ity farany ihany koa no tompon’antoka tamina famonoana miaramila tany amin’iny faritra iny. Nandray an-tanana ny raharaha tamin’ny fanadihadiana moa nony avy eo anivon’ ny zandarimariam-pirenena. Mitohy ihany koa ny fikarohana ireo namany sasany.
m.L