- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Dahalo nifamono noho ny resaka valifaty

Maevatanàna : Dahalo nifamono noho ny resaka valifaty

Lasa niteraka valifatim-pianakaviana ny asa ratsin’ireo tanora manao dahalo any amin’ny kaominina ambanivohitra Mangabe iny ankehitriny, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Raha hojerena tokoa ny zava-nitranga, tao an-tapon-tanànan’i Mangabe, dia nisy dahalo iray monina amin’io tanàna voalaza etsy aloha io no nanafatra jiolahy roalahy namany, hanafika olona iray ao ihany, saingy noho ny tonga ireo malaso nafarana, dia taitra tampoko, rehefa nahalala ny olona hotafihina. Ka teo no nihemotra tsy nahasahy ny hanafika izy roalahy, fa hoe: olona misy fifandraisana amin’izy ireo, ilay olona hotafihana no niverin-dalana nandeha nody sy nanao veloma tamin’ilay dahalo namany, ireto farany no niteny hoe: tsy vitanay ilay  » mission » nokaisaina hatao. Nanaiky mora ilay nanafatra no niteny tamin’izy roalahy hoe: tsy maninona fa mahazo mandeha ianareo. Rehefa lasa lavitra nandeha an-tongotra ny jiolahy roa, dia nanaraka avy aorina nitondra ekipa ny jiolahy nanafatra azy ireo. Tazan’izy roalahy tampoko ireo malaso nirongo basy, ka teo no nihazakazaka nitsoaka izy roalahy, ka ny iray ihany no azon’ireo sambom-belona. Raikitra ny fifandonana, satria namaly nanohitra ity farany. Be noho ny vitsy tokoa ilay jiolahy iray, saingy namoy ny ainy avy hatrany, vokatry ny tifitra nahazo azy. Ny jiolahy namany tafaporitsaka, kosa nihezaka nampahafantatra nalaky ny fianakaviany tany amin’ny toeram-ponenany. Niroso nanao rodobe naka ny razana no niditra amboletra tao an-tranon’ilay jiolahy iray nanafatra azy ireo tao Mangabe ny fianakavian’ny maty. Nosintomina tamin’ny tady tamin’ny andro alinabe ilay malaso ary tonga dia notarihina tamin’ny tady ihany koa ny tendany, rehefa lasa lavitra niala tanànan’i Mangabe izy ireo, tonga dia novonoana tsy nisy hatak’andro ny jiolahy no sady natsipy tany anaty rano ny fatiny. Ny marainan’ny Alakamisy faha-6 Jona 2024 teo no hita faty teny amin’ny sisin-dranon’i Betsiboka, teo akaikin’ny tanàna antsoina hoe: Tantely/Andriamamy, fokontany Marosakoa, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mangabe, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, mbola nifatotra tady ny vatany. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana sy ny ben’ny tanàna, ary ny mpitsabo, rehefa nahazo antso an-taribia mahakasika ny fisian’ilay dahalo maty. Hatreto dia mandeha ny resaka eny anelankelan-trano eny, hoan’ny tanànan’i Mangabe an-tampon-tanàna, fa mety hisy ny valifatim-pianakaviana, hoan’ireo manana ny maty, raha ny vaovao voaray farany hatrany.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici