Ny Asabotsy teo tamin’ny folo ora maraina no naharay fampahafantarana ny Zandary fa nisy trangana halatr’omby tao amin’ny tanàna antsoina hoe: Bonga-Amboasary, fokontan’Antsohy, kaominina ambanivohitra Madirovalo, any amin’ny disitrikan’Ambatoboeny, ka omby 35 no very nangalariny jiolahy tamin’izany. Androtr’io ihany tokony tamin’ny dimy ora hariva, raikitra ny fifandonana teo amin’ireo dahalo niisa sivy lahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, nitondra ny omby halatra sy ireo Zandary nanao fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona tao anaty kizo Madirobe, fokontany Madirobe, kaominina Ambalajia, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Rehefa raikitra ny fifanjevona, naratra ny roa lahy tamin’ireo malaso, saingy nentin’ireo namany nitsoaka, raha toa ka tafaverina amin’ny tompony ny omby rehetra. Marihina fa fitambarany Zandary roa nifanome tanana tamin’ny fifandonana no nahazoana izao vokatra izao, ka teo ny Zandary avy any amin’ny kaominina ambanivohitra Madirovalo sy ny Zandary avy ao amin’ny kaominina Ambalajia. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy.
Ratantely