Hita faty tamin’ny sabotsy 16 Janoary lasa teo ilay teratany sinoa iray nifampitadiavana nandritra ny andro maro. Ny fokonolona ao Amboabary, any amin’ny kaominina Ambalajia no nahita ny razana teo amin’ny sisin-dranon’i Betsiboka, izany hoe teo akaikiny tafian-dakana Amboabary. Simba tanteraka vokatry ny tsy nahitana azy tao anatin’ny andro maro ny vatana mangatsiakan’ilay teratany sinoa. Voatery tsy maintsy nalefa tany Maevatanànana ny razana. Raha hiverenana ny tantara dia lasan’ny ranotrambo noho ny fahatapahan’ny « Câble-n’ny machine à Drague niasany no nahatonga ny loza. Fito mirahalahy izy ireo no lasan’ny loharano ny alatsinainy hifoha talata heriny lasa teo. Ny telo tamin’izy ireo no hita velona tamin’ny talata hariva saingy naratra ny roa dia Sinoa sy Malagasy iray. Tamin’ny alarobia hariva no nahitana olona telo : Zandary mpiambina iray, Sinoa iray, ary Gasy iray,) saingy efa vatana mangatsiaka sisa no hitan’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana, ary telo andro taty aoriana vao hita ny teratany sinoa iray fahafiton’izy ireo izay voalaza etsy ambony.
Ratantely