Efa ho maro no niainan’ny vahoaka tsy an-kanavaka ny fahatapan-drano teto Maevatanàna an-tampon-tanàna, na tamin’ny taona lasa na tamin’ity taona 2025 ity. Tsy misy fandraisana andraikitra sy filazana fanapahana ny rano ny eo anivon’ny orinasa jiro sy rano Malagasy eto Maevatanàna. Na andro na alina dia zara raha mahita rano mandeha ny mponina isam-pokontany. Misy fotoana mikorina tsara, avy eo dia lasa zara raha mitete kely sisa ny fandehan’ny rano. Mafy ka tena mafy ny zavatra lalovan’ny mponina amin’izao fahatapan-drano izao, any ka lasa miantoka vola hangalana rano amin’ny bajaj, any Antsakoamamy hoan’izay olona manana fahafahana. Tsy misy fandraisana andraikitra ataon’ireo tompon’andraikitra aty an-toerana fa toa lasa mana-bekibo fotsiny. Ny orinasa jirama sy ny First Energy Ambalaranokely moa efa tsy tenenina intsony, satria ireo orinasa roa ireo no miantoka ny fampandehanan’ny jiro sy rano, saingy tsy hita izay hilavan’azy. Noho izany dia manao antso avo ny mponina amin’izao fahatapan-drano matetim-pitranga tsy mety manam-pahavitana izao. Mba hamahan’ny tompon’andraiki-panjakana any Antananarivo ny olana misy.
Ratantely