- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Fanafihan-dahalo, olona iray maty voatiftra.

Maevatanàna : Fanafihan-dahalo, olona iray maty voatiftra.

Dahalo manodidina ny telopolo lahy eo, izay nirongo fiadiana, no nanafika tao amin’ny fokontany sy kaominina Beratsimanina, disitrikan’i Maevatanàna, ny alahady 29 aprily lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Raha vao niditra ny tanàna izy ireo dia nitsoka kiriorioka. Tsy vitan’izany fa mbola nitabataba nanerana ny tanàna nandrahoana ny mponina. Tsy nisy sahy nivoaka ny trano ireo olona noho izany ka teo no nanararaotan’ireo dahalo namakiana ny valan’ombon’olona teo an-tanàna. Omby miisa efapolo mahery no lasan’ireo tamin’izany. Sady nandroaka ny omby izy ireo no nandrahona ny mponina tamin’ny alalan’ny poa-basy hatrany. Efa dify mihitsy ireo vao nivoaka tsikelikely ny mponina ary nifamory  hanao ny fanarahan-dia. Nampandrenesina ihany koa ny mpitandro ny filaminana teto Maevatanàna. Niatsinana nahazo an’Ambodimanga Betsiboka moa ny dian’ireo omby. Nony tonga tao Marokoro ireo mpanara-dia dia nifankatratra tamin’ireo dahalo, ka raikitra tamin’izany ny fifanjevona. Vokany : mpanara-dia iray maty voatifitra teo amin’ny kibony, tsy maintsy voatery nandositra ny Zandary dimy lahy  sy vatan-dehilahy noho izany. Lasa nanohy ny diany hatrany ireto malaso. Ilay razana kosa efa nalain’ireo fokonolona no sady natolotra ny fianakaviany ao Beratsimanina. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana hatramin’izao.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici