Mampihorohao ny dahalo ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Nisehoana fanafihan-dahalo indray tany amin’ny fokontany Anjiakely andrefana, kaominina Madiromirafy, ny talata 26 Jona lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora maraina. Dahalo manodidina 54 nirongo basy kalaky sy poleta no nirohotra nanafika tany amin’io tanàna voalaza etsy ambony io. Tsy nisy sahy nanohitra ny fokonolona nanoloana ireo fitaovam-piadiana nentin’ireo mpanafika, ka omby maromaro tao am-bala izay tsy voafaritra isa no azon’ireo malaso tamin’izany, ary olona fito no nalain’izy ireo natao takalonaina, hoy ny loharanom-baovao azonay hatrany.Nampandrenesina malaky ilay Zazamainty mpiandry tanàna ao amin’ny fokontany Anosibe, vantany vaolasa ireo dahalo, ka nisy ny fanarahan-dia nataon’izy ireo niaraka tamin’ny fokonolona. Nifankatratra tamin’ireo dahalo izy ireo, ka raikitra ny fifandonana ary io nahafaty Zazamainty iray sy olon-tsotra iray io. Efa tany amin’ny 60km nitondran’izy ireo izany vao navotsotra ireo vehivavy telo sy lehilahy efatra natao takalonaina, fa ny omby ihany no nentin’izy ireo nanaraka azy. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo mahazo laka ankehitriny ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, izay toa tsy misy fanefitra intsony, dia mandry andriran’antsy sy miaina ao anaty tebiteby sy ranomaso ny ankamaroan’ny mponina mahatsiaro tena ho tsy misy mpiaro sy mpikararaka intsony.
Ratantely