- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Fiara 4x4 namono tovolahy efatra

Maevatanana : Fiara 4×4 namono tovolahy efatra

Nitrangana loza nahatsiravina izay namoizana ain’olona efatra be izao tany Maevatanàna ny alatsinain’ny paska teo. Mpamily iray voalaza fa mamo nitondra fiara tsy mataho-dàlana no nandona ka nahafaty tsy tra-drano tovolahy efatra, izay kambana mirahalahy ny roa. Tany amin’ny  5 km avaratry ny tanànan’i Maevatanàna amin’ny làlana mihazo an’i Mahajanga iny no nitranga ny loza. Raha ny vaovao voaray dia avy nitsangantsangana hamonjy fodiana ireto andiana tovolahy no tratr’izao loza nahatsiravina izao.

Ankoatra izany, maro ny loza niseho tamin’ity fetin’ny paska ity ka anisan’izany ilay nahafaty olona dimy mianaka. (Lahatsoratra etsy akaiky). Tsy tamin’iny làlana iny ihany anefa no nisy lozam-pifamoivoizana fa nisehoan’izany koa tamin’ny lalam-pirenena faha-7. Manamboninahitra iray nitondra fiara Peugeot 205 koa no fantatra fa namoy ny ainy. Nivdika ambony ambany ny fiara nentiny.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici