Nitrangana fifandonana mahery vaika tamin’ny dahalo indray sy ireo mpitandro filaminana tao amn’ny kaominina Bemokotra, distrika Maevatanana, ny faran’ny herinandro teo. Vokany, dahalo telo no tsy manohy intsony ny asa ratsiny, basim-borona roa no azo, izay mbola nahitàna bala tao anatiny, ary azo ny ampahany tamin’ireo omby nalain’ireto malaso ireto.
Haingana dia haingana tokoa ny fandraisana andraikitra nasehon’ny teo anivon’ny vondro-tobim-paritry ny zandary tao Maevatanana, rehefa nisy nampandre izy ireo mahakasika ny fisiana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanana iray, antsoina hoe Ambodisakoa, kaominina Bemokotra. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy dia omby am-polony maro no noraofin’ireo olon-dratsy teny an-kijana ary nitsoaka nihazo ny tananan’i Tampokara izy ireo. Napetraka avokoa ny paik’ady hanakanana ny dian’ireto olon-dratsy, ary natao avy hatrany ny fanarahan-dia. Tsy lavitra teo araka izany dia nifankatratra ny mpanenjika sy ireo noenjehina. Raikitra ny fifandonana voalohany, tao amin’ny toerana antsoina hoe Andohan’i Belambo. Nisy iray tamin’ireo mpanara-dia no voan’ny balan’ireo olon-dratsy ary maty tsy tra-drano. Nanohy nitsoaka ihany ireto dahalo ka tratra tao amin’ny toerana antsoina hoe Toby Berivotra indray. Namaivay ny fifandonana teto. Telo tamin’ireo malaso no lavon’ny balan’ireo mpitandro filaminana. Dahalo rain-dahiny fantatra amin’ny petak’anarana hoe : Solofo, Tongavelo ary Pasta. Nahita izany irety namany ka nitsoaka nanao tongotra an-katoka, namela ireo hazany teo. Tamin’ireo omby 62 lasan’ireto malaso ireto araka izany dia tafaverina ny 40. Mbola tsy hita kosa ny nanitrihan’izy ireo ny ambiny. Tamin’ny fitsirihana ny toerana nisian’ny fifandonana kosa no nahitàna basim-borona anankiroa, izay samy mbola nisy bala avokoa tao anatiny. Na dia tsy ireo omby rehetra tokoa aza aloha no azo teny am-pelan-tanan’ireo dahalo dia efa velom-pisaorana sahady ireto mpitandro filaminana ny mponina tany an-toerana. Mbola mitohy moa any an-toerana, ny hazalambon’ireo tafatsoaka ary ny fikarohana ireo omby hafa very.
m.L