- Publicité SW45 -
lundi, septembre 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Fitaovam-pianarana maimaipoana hoan'ireo mpianatra eny amin'ny fanabeazana fototra

Maevatanana : Fitaovam-pianarana maimaipoana hoan’ireo mpianatra eny amin’ny fanabeazana fototra

Nandrakotra ny fiarahana nandritra ny fizarana ny fitaovam-pianarana maimaipoana hoan’ireo ankizy mpianatra eny amin’ny fanabeazana fototra ny loko volom-boasary teny amin’ny kianjan’ny la place, tao amin’ny fokontan’Andranomatsiaka, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny Alahady voalohany volana Septambra tolakandro teo iny. Tonga nanontrana izao fanamaivanana ny Ray aman-dreniny mpianatra amin’ny fividianana fitaovam-pianarana ny Goveronora mpisolo toerana sy ny ben’ny tanàna, ary ireo tompon’andraikitra maro samy hafa aty an-toerana. Ny mpianatra kilasy faharoa sy kilasy fahatelo, fahefatra, fahadimy ihany no nisitraka izao fanomezana avy amin’ny solombavam-bahoakan’i Madagasikara, izay lany voafidy tato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna izao. Fitaovana tohin’ny Cahier fonon’iray sy penina miisa roa, miampy fitsipika maro iasakan-razana no natolotra tamin’ny andro voalaza etsy aloha io, hoan’ireo mpianatra mianatra avy amin’ny sekolim-panjakana sy ireo mpianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina. Anisan’ny ny nahatalanjona ny maro sy ireo olona nanatrika ny fanolorana ny fitaovam-pianarana ny fahitan’izy ireo, an’i Luciano kely, mpianatra kilasy faharoa, izay tapaka tanana mahavita manoratra tsara tamin’ny cahier scolaire teny an-toerana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici