- Publicité -
vendredi, mai 30, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Foanana ny tarika Zazafotsy

Maevatanàna : Foanana ny tarika Zazafotsy

Tonga nitsidika niatrika ny fivoriambem-pokon’olona sy ny mpiray dina ao amin’ny fokontan’Anosikely avaratra ato anatin’ny kaominina Maeavatanàna ambonivohitra ny Governora ny faritra Betsiboka sy mpiara-miasa amininy sy  » Délégué Régional Militaire. Nanambara Atoa Governora Randrianjafinindrina Jeans Roger nandritra fandraisam-pitenenana nataony, fa ho fanatsarana dia noraisina ny fepetra hanatsahatra ny biraony mpikambana ao amin’ny donam-pokon’olona Régionale, ka ny talehan’ny kabenitra ao Goveronorà Atoa Rakotondramiarina Gilbert, no filoha vonjomaika ny dina. Nanamafy ihany koa Atoa Goveronora, fa tsy ara-dalana ny fisiany andian-tanora mpikambana amin’ny tarika Zazafotsy, ary hatsahatra avy hatrany izany vondrona izany, raha misy ny ato amin’ny distraikan’i Maevatanàna. Hatsaraina sy hamafisina ny lalàna mifehy ny dinam-pokon’olona ireo mpikambana dina rehetra hoy Goveronora. Nanentana ny rehetra ny tenany, fa ny dina ihany no ara-dalàna andrindrana ny fiaraha-monina, ary nahitana vokan-tsoa izany tamin’ny nijoroahan’ny dinam-pokon’olona ny taona 2013.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici