- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Halatra omby tsy nahavanona

Maevatanana : Halatra omby tsy nahavanona

Ny 16 martsa alina teo no niakatra tanàna ireto jiolahy miisa roa, tsy nampiasa basy izy ireo tamin’izany fa tonga dia namantana tany am-bala ka namoaka ireto omby telo ambininifolo isa. Izay tsy fahenoana feom-basy izay indrindra no nahasahian’ireto fokonolona sy zandary nanara-dia ireto malaso avy hatrany. Teo amin’ilay tanàna antsoina hoe Kianja la carriére no tazan’ireto malaso fa efa akaiky azy ireto mpanenjika ka rifatra nitsoaka avy hatrany ireto mpangalatra. Tratra tamin’izany ny omby miisa iraika ambinifolo. Araka ny tatitra voaray moa dia ny roa tamin’iteo omby no efa novonoin’ireo malaso teny an-dalana.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser