Saribao laafo manomboka izao. Nanatanteraka fivoriana hamahana ny olana misy ato amin’ny kaominina Maevatanàna voalohany ny tompon’andrakitra eo anivon’ny fitaleavam-parirty ny Varotra sy ny Fanjifana Betsiboka, ary ireo mpivarotra saribao fandrehatra na saribao. Manoloana ny fitarainana maro samy hafa na mivantana na eny amin’ny tambanjotran-tserasera dia nandray fepetra niarahana izy ireo ny Talata maraina faha 24 Febroary taona 2026 lasa teo iny , tao amin’ny efitrano fivoriana malalaky ny prefektiora Maevatanàna.Tsapa nandritra izany fa ireo mpiantoka ihany no miady samy tehahazo ny maro no mampiakatra ny vidiny, eny amin’ny mpamokatra na mpanamboatra ny anton’ny mahalafo azy ankehitriny. Taorian’ny fifampiresahin’ny roa tonta, tao antin’izao fihaonana sy dinidinika ambany tafin-trano izao, dia niarahan’ny rehetra nanaiky tamin’izany fa manomboka amin’ny Alatsinainy faha 02 Marsa taona 2026 hoavy izao no hahena ny vidin’ny arina fandrehatra na saribao, raha toa ka amin’ity herinandro ity izy ireo no mbola mandany ny tahiry misy ao aminy, mandram-pahatonga ny andro voalaza etsy aloha. Tapaka tamin’ny fifampidinihana natao ihany koa, fa tsy mahazo mivarotra mihoatra ny 12.000 Ariary raha 18.000 Ariairy izany an-kehitriny. Hoan’ny gony lehibe dia: 26.000 Ariary no fetra hiavarotan’azy, raha 35.000 na 40.000 Ariary izany an-kehitriny. Azo antoka fa tsy mahazo mividy mihoatra ny vidin’ny Saribao 8000 Ariary gony kely sy 20.000 Ariary ny gony lehibe amin’ireo mpanamboatra na mpamotraka mivantana izy ireo. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa hadraisana fepetra hentitra izay mandika ireo fanapahan-kevitra ireo, raha toa ka mbola hahitana ny fanararaotana amin’ny fivarotana saribao, ary misy manomboka izao ny faraha-maso izay ataon’ny fitaleavam-parirty ny Varotra sy ny Fanjifana no tsy hanaiky amin’ireo, izay mbola minina miala ny fepetra notapahana niarahana teto.
Ratantely



