- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna II : Raopolo lahy nirongo basy nanafika tanàna

Maevatanàna II : Raopolo lahy nirongo basy nanafika tanàna

Nitrangana fanafihan-dahalo indray tao amin’ny fokontany Androafiabe, any amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa, izay somary mihazo ampitan-drefan’ikopa iny, ny alatsinainy 30 novambra lasa teo, tokony ho tamin’ny dimy ora vao mangiran-dratsy. Dahalo efa manodidina roapolo lahy tany ho any, izay mirongo basim-borona sy zava-maranitra. Norahonany tamin’ny poa-basy avy hatrany ny mponina mba tsy hisy hivoaka ny tranony. Rehefa izany dia niroso tamin’ny fandrobana ny omby ireo dahalo. Raha ny fanazavana voarainay avy any an-toerana hatrany, ankoatra ny omby lasan’ireo malaso, dia rangahy lehibe iray ihany koa no voalaza fa naratra voafira famaky teo amin’ny tarehiny. Efa tafavoaka ny tanàna mihitsy moa ireo dahalo vao nivoaka tsikelikely ny mponina ary nampandre ny mpitandro filaminana, saingy mbola tsy misy tonga any an-toerana hatramin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra. Na dia izany aza, efa mandeha ny fanarahan-dia amin’izao, izay iarahan’ny mpiray dinam-pokonolona sy ny fokonolona ao an-toerana. Fantatra fa nizotra niankandrefana ny lalan’ireo dahalo nitondra ny omby avy nangalarany. ILay rangahy lehibe kosa efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly be Morafenokely eto Maevatanàna.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici