- Publicité -
samedi, mai 31, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Jiolahy iray maty notetehin’ny fokonolona tamin’ny famaky

Maevatanana : Jiolahy iray maty notetehin’ny fokonolona tamin’ny famaky

Tokantrano iray tany amin’ny fokontany Mangasoavina, kaominina Andriba, disitrikan’i Maevatanàna indray no notafihana andian-jiolahy miisa efatra nirongo fiadiana, ny talata 13 martsa lasa teo, tokony ho tamin’ny 07 ora hariva mahery 45 minitra. Nanapoaka basy izy ireo talohan’ny hidirany tao amin’ilay trano mba handrahonany ny manodidina tsy hivoaka. Tazan’ireo malaso tao an-trano izy mivady ka nambanany basy avy hatrany sady nanontaniana hoe aiza ny vola. Tapaka tampoka ny jiron’ny jirama tamin’izany, ary tonga dia notorahan’ilay rangahy antsoina hoe Parfaita tamin’ny famaky ny iray tamin’ireo jiolahy rehefa maizina ny tao an-trano sy ny manodidina, ka voa teo amin’ny lohany. Taitra ireo namany raha nahita ny fahavoazan’io satria tonga dia nitolefika moramora ilay dahalo ary niakarapoka teo. Tsy nampoizin’izy ireo ny zava-nitranga ka nitsoaka nandositra ireo namany. Niantso vonjy tamin’ny manodidina ilay rangahy topon-trano taorian’izay, ka vetivety dia vory ny olona. Rehefa nojerena ilay jiolahy iray, izay taraiky teo noho ny ratra nahazo azy, ary efa tsy nihetsika intsony, ary mbola notetehin’ny fokonolona famaky teo ihany izy.  Taorian’izay vao nampandrenesina ny mpitandro ny filaminana, ka tonga teny an-toerana nijery ny zava-nitranga. Novonjen’ny Zandary nentina teny amin’ny hopitaly malaky ilay jiolahy, saingy tsy tana ny ainy. Fantatra fa tsy nahazo na inona na inona ireo jiolahy tamin’io. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha ka mandeha ny fikarohana. Ilay jiolahy maty kosa efa nalevin’ny fokonolona.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici