- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Jiolahy mitam-basy nandroba 4 tapitrisa araiary tao amina " Epi...

Maevatanàna : Jiolahy mitam-basy nandroba 4 tapitrisa araiary tao amina  » Epi bar. »

Nitatatata indray ny feom-basy teto amin’ny renivohi-paritra Betsiboka. Tokony ho misasak’alina teo no nisehon’ny fanafihan-jiolahy tety Anosikely atsimo, ny zoma lasa teo.  » Epi bar » mpivarotra zava-pisotro no lasibatra. » Nofaohin’ireo jiolahy ny vola mitentina efatra tapitrisa ariary tao, niaraka tamin’ny firavaka volamena sy kavina teny amin’ilay Ramatoa. Raha ny fantatra dia efa-dahy no namita ny asa ratsy. Ny telo tamin’ireo nitam-basy ary nisy basy poleta vita gasy roa sy basim-borina iray nentin’izy ireo. Ny anankiray ihany no nitondra sabatra lava. Nitaky vola tao amin’ilay  » Epi bar » ry zalahy ireto vao tonga. Sady nambanany tamin’ny basy no voatoto vody basy ity vehivavy ity ka tsy afa-nihetsika. Lasa tamin’izany ny vola maty rehetra nandritra ny tapak’andro. Vetivety monja ny fanafihana. Lasa nitsoaka ireo malaso ireo sady nanapoaka basy. « Nirefodrefotra ny basy tety. Nandositra nanaraka ny lalam-pirenena fahefatra iny izy ireo ». Tsy nisy nisaron-tava ihany koa ry zalahy fa samy nanao satroka nisy sofina ireny mba hanakomana ny endriny avy, araka ny loharanom-baovao hatrany. Taorian’izay no tonga nanao fanenjehana ny polisy. Marihina fa misy polisy mpandamina fifamoivoizana tsy lavitra ity asa ratsy ity, saingy tsy tratra intsony ireo mpanao ratsy. Mandeha ny fikarohana ny raharaha. Efa am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny tohiny.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici