Efa leom-boanana amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy eto an-tampon-tanàna ny mponina, ka niray hina, nifanome tanana nanenjika ireo jiolahy nandrava mpivarotra entna ilaina an-davanandro na » PPN. » Raha ny angom-baovao vaoray hatrany, dia jiolahy roa nirongo antsy lava nibaby sakaosy teny ambanin’ny Pharmacie Tantely, eo akaikiny banky BNI ao antin’ny fokontany Anadranomangatsiaka, kaominina Maevatanàna ny harivan’ny Alatsinainy faha-12 Febroary, tokony ho tamin’ny 5 ora mahery 15 minitra teo no nisehoan’izany. Iny efa variana nangorona ny entam-pivarotana iny ny olona no namoaka tampoka an’ilay antsy lava ireo jiolahy, ka nosintonin’ireto farany ny harona nisy vola mitaotaly dimy tapitrisa ariary, ary nitsoaka nalaky namakivaky ny tanànan’i Maevatanàna niankandrefana, izy roa lahy. Teo ihany dia raikitra ny fifanenjehana, rehefa naheno ny antso vonjy ny fokonolona, ka tao ireo niaraka tamin’ny bajaj mba ho « tongomalaky ». Rehefa nifanakaiky ny jiolahy sy ny olona mpanenjika azy ireo, dia natsipin’ireto farany harona nisy vola no sady nitsambikina tany anaty ranon’Ikopa ampitandrefan’ny fokontan’Ambatofotsy. Nilomamo niankadrefana izy roa lahy, raha sanganehana nihazohazo teo amoron-drano kosa ny mponina, izay natahoatra amin’ny fiakarany ranon’Ikopa noho ny fiavian’ny orana be loatra tao ho ao izay. Marihana fa tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy, nandritra ny zava-niseho, ary nomena ny tompony avy hatrany kosa, ilay vola tao anaty harona. Efa taorian’ny zava-nitranga, vao tonga ny mpitandro ny filaminana, saingy tsy nisy azo atao intsony.
Ratantely