- Publicité -
jeudi, septembre 18, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Kamiao nilatsaka tao ambany tetezana

Maevatanàna : Kamiao nilatsaka tao ambany tetezana

Nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra. Fiara kamiao iray avy nanatitra andrin-jiro, tany Marovoay hihazo any Antananarivo no nilatsaka, tao ambanin’ny tetezan’Androtra, aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Raha ny angom-vaovao hatrany dia ny alin’ny faha 18 febroary taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny 11 ora mahery 30 minitra tany ho any no nisehoan’ny loza, ka vokatry ny haratsian’ny lalana sy fahafenon’ny lavadavaka tsy nampoizina, noho ny firotsahan’ny orana, no nahatonga ny loza, raha ny fanazavan’Atoa José mpamily ity fiara vaventy ity taminay hatrany. Tsy nisy kosa ny aina nafoy sy naratra tamin’ireo mpamily fiara kamiao sy ny mpamily mpanampy, tao anatin’ilay fiara. Ny ora nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana ihany no efa tonga teny an-toerana ny Zandary misahana ny fifamoivoizana, ary ny tompon’andraiki-panjakana avy ao Maevatanàna.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici