- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Karàna iray maty voatsatoka antsy

Maevatanàna : Karàna iray maty voatsatoka antsy

Teo amin’ny kibony ary nahazo ny lamosiny ny antsy. Dahalo efatra kosa matin’ny fokonolona sy ny zandary. Lehilahy iray antsoina hoe Anille Feridde Aly no maty voatasatok’antsy teo amin’ny kibony ny alahady teo, tao Mahazomà-Maevantanàna. Tranom-barotra iray lehibe no lasibatra ny jiolahy dimy nitondra poleta sy zava-maranitra. Vao tafiditra ireo olon-dratsy dia nanapoaka basy. Vao namaly ilay karàna dia notsatohana antsy. Niezaka niantso vonjy ihany ny vadiny. Tsy nandroba ny mpanao fanafihana, fa ny ain’ilay lehilahy mihitsy no nofofoina. Rehefa nahazo antso ny mpitandro ny filaminana dia nanampy ny  fokonolona nanenjika . Tratra teny Avaratsena izy ireo « Azo sambom-belona izy efa-dahy raha tafaporitsaka kosa ny iray. Nisy famaliana ary lavo ireo olon-dratsy » raha ny fanazavana. Ilay voatsatok’antsy kosa noezahina novonjena saingy tsy tana intsony ny ainy. Araka ny fampitam-baovao hatrany voaray tamin’ny zandary dia fantatra fa nahitana karampanondrom-pirenena ny roa tamin’ireo jiolahy, izay voalaza mihitsy hoe olona mipetraka any Andranobevava. Mitohy ny famotorana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici