Jiolahy iray no azo sambo-belona niaraka tamin’ny omby zato nangalariny ary ny namany izay tafatsoaka. Tao amin’ny fokontany Ambinanikely, Kaominina Mangabe, disitrikan’i Maevatanàna, no nahasarona io jiolahy io, ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina. Araka ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro ny filaminana, 80 lahy nitondra basim-borona maromaro no nandroba omby 100 teo ho eo, izay an’olona dimy samy hafa, monina ao Ambinanikely. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny Zandary sy ny miaramila izay nanao hetsika, tato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Tafaverina tamin’ny tompony avokoa ny omby 100 niaraka tamin’ io jiolahy io, 30 taona monina ao Ambinanikely ihany. Tsy nisy naratra ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona. Ny Zandary avy ao amin’ny «Poste fixe» Mangabe no misahana ny famotorana, ary mbola karohina kosa ireo jiolahy namany.
Ratantely