Nisy fatin-dehilahy iray hita teny amin’ny sisin-dalana manaikaiky ny fokontany Morafeno, teo amin’ilay toerana antsoina hoe « vato mipoaka, » ny alakamisy maraina lasa teo. Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Celestin, tokony ho telopolo taona mahery eo, ity namoy ny ainy ity. Olona sendra nandalo vao maraina teny an-toerana no nahatazana ny razana voalohany. Nampilaza tamin’ny fokonolona sy ny polisim-pirenena hijery ny zava-misy. Teo ihany dia fantatra ny mombamomba an’ilay lehilahy, izay avy any Antsirabe. Nampandrenesina ny fianakaviny ao amin’ny fokontan’Ambodimadiro. Nohenoina ny olona akaiky azy. Raha ny angom-baovao hatrany dia fantatra fa nisy namono ity lehilahy ity, ny alarobia alina teo. Voaporofo izany nandritra ny fizahana ny razana, izay nahitana diam-pamaky in-dimy teo amin’ny lohany, ary rovitra ihany koa ny sofiny. Ny olona teny amin’ny manodidina moa rehefa nanaovana fanadihadiana dia nilaza fa tsy naheno kotaba na antso vonjy nandritra ny alarobia alina. Nitsirara teo amin’ny sisin-dalana izy, araka ny tatitra voarainay tamin’ireo olona sy ny mpitandro ny filaminana nanatri-maso. Natolotra ny fianakaviana ao Ambodimadiro ny vatamangatsiaka rehefa avy nozahan’ny mpitsabo. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ny polisy, mba hahitana an’ireo olona nahavanon-doza.
Ratantely