- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Lehilahy iray no maty, rehefa voakaikitry ny alika romotra

Maevatanàna : Lehilahy iray no maty, rehefa voakaikitry ny alika romotra

Hataraina ny an’ireo mponina manodidna teny amin’ny fokontan’Ambovomavo, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna rehefa nahita sy naheno ny zava-nitranga makasika an’ilay lehilahy iray antsoina hoe: Zenary, tokony eo amin’ny 47 taona eo, izay lasa romotra voakaikitry ny alika. Ny angom-vaovao voaray hatrany no nahalalana fa voakaikitry ny alika ny taona 2025 teo iny ranamana, saingy tsy nentin’ny fianakaviany namonjy tombim-pahasalamana no noentina notsaboana tany amin’ilay rangaha mpanao ombiasy na (Mpimasy) any amin’ny tanàna atao hoe: Maroadala, fokontanin’Ankadibe, mbola any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà iny. Rehefa nahatsikaritra ny fihetsehin’aretina niseho tamin’ny Alatsinainy faha 12 May taona 2025 teo, tokony tamin’ny enina ora hariva ny fianakaviany dia nentin’izy ireo nalaky tany amin’ny CSB2 Mahazomà ity farany, saingy namoy ny ainy taorian’ny minitra vitsy nitondrana azy. Nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo sy ny Zandary no nahitana soritr’aretina maneho fihetsika romotra niseho taminy, izay nivoaka roram-bava sy mirifadrifatra, ary mitady zavatra hokakeriny amin’ny nifiny. Efa nomena ny fianakaviany ny nofo mangatsikan’ilay lehilahy maty. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra raha ny fampitam-baovao voaray farany dia hanatanteraka fivoriana hiarahana amin’ny fokon’olona ny ben’ny tanàna any an-toerana sy ny mpitsabo, Vétérinaire, ary ny mpitandro ny filaminana mba handinihana mety ho fanapahan-pankevitra horaisina amin’ireo alika mirenireny eran’ny tanàna. $

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici