- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Lehilahy iray no maty voafaokan'ny fiara 4x4

Maevatanàna : Lehilahy iray no maty voafaokan’ny fiara 4×4

Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray ny teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (Rn4). Ny tolakandron’ny  Alatsinainy faha 08 Aprily 2024 teo, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Andrangonala, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no niseho izany. Lehilahy iray antsoina hoe : Chelyn, izay monina any amin’ny toerana voalaza etsy ambony no nandeha kodiaran-droa na môtô, avy aty Maevatanàna, izay avy namonjy tsena sy nanao hiraka amin’ny fividianana hentana hilaina andavan’andro sy nikasa hamonjy fiodiana no nifanehitra tamin’ny fiara tsy mataho-dalana iray, na fiara 4×4 tao anaty fiolanana , ka nipitika tsy nisy noraisina ny môtô sy maty tsy tra-drano ranamana nandritra izany loza niseho tany an-toerana izany. Efa mihantrana marobe any an-toerana moa ny Zandary miandraikitra ny fifamoivoizana eto Maevatanàna an-tampon-tanàna, ny harivan’ny Alatsinainy teo ihany. Ny razana kosa, dia hiandrasana ao amin’ny tranom-ponenan’ny Ratompokolahy, izay ao Antanimbary an-tampon-tanàna. Ny fiara 4×4 moa, dia notazomina am-balam-pamonjana no hatao famotorana ihany koa ny mpamilly.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici