- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Lehilahy iray no saron’ny polisy niaraka tamin'ny anana iray gony...

Maevatanàna : Lehilahy iray no saron’ny polisy niaraka tamin’ny anana iray gony nangalariny

Sesilany indray mantsy ny halatra anana teto Maevatanàna an-tapon-tanàna indrindra fa ireo anana entin’ny fiara avy any Antananarivo ho aparitaka aty an-toerana. Olona maro no lasibatra, hatramin’ny fiandohan’ny volana Janoary no mankaty. Ankoatra ireo anana eny an-tsaha dia alain’ireo mpangalatra hatramin’ny anana entin’ny fiara avy any an-drenivohitra mijanona eny akaikin’ny tobin-tsolika Shell. Tsy re tsaika ireo mpangalatra raha ny voalazan’ireo olona lasibatra fa ny fahabangan’ny gony misy anana amin’ny maraina na io eny an-tsaha na anaty fiara, no mampikoropaka ny rehetra. Noho izany dia naharay fitarainana maro avy any amin’ireo mpividy sy ny mpandray anana ny eny anivon’ny polisim-pirenena eto Maevatanàna. Tsy niandry ela fa tonga dia nanao vela-pandrika ny polisy tany amin’ireo toerana tena ahitana halatra anana. Iny vao maraina mangiran-dratsy iny no tonga tampoka mbola zatra mpahazo ity tovolahy ity ka noraisim-potsiny niaraka tamin’ny anana iray gony. Rehefa natao ny famotorana an’ilay tovolahy dia fantatra fa izy irery ihany no manao ny asa ratsiny. Taorian’ny fanadihadiana no natolotra ny fampanoavana ny raharaha, ka efa naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany ilay tovolahy, miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici