Nanomboka ny 5 desambra lasa teo no efa tsy hitan’ny fianakaviany ny lehilahy iray monina ao Antetezana. Nanao fikarohana azy ny havany, saingy tsy nahitam-bokany izany. Tonga nampandre ny zandary kosa anefa ny sefo fokontany ao Marobarea fa misy lavaka mampiahiahy ao amin’ny 200 metatra miala ny tanana. Nidina teny an-toerana ny zandary roalahy mpanao fanadihadiana ny asabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora maraina, ka rehefa noloarana dia hita tao amin’io lavaka io tokoa ny fatin’ilay lehilahy izay efa nokarohana hatry ny ela. Rehefa nataon’ny dokotera ny fizahana ifotony ny razana dia hita fa novonoina ity lehilahy ity. Nokapaina famaky ny tendany sy ny lohany.
Raha araka ny voalazan’ny fianakaviany dia avy naka vola tany Ambodinandiana ity lehilahy ity. Mbola nandalo kely tao an-trano izy ary nandeha nivoaka, ka izay no nahitan’ny havany azy farany. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny zandary, saingy hatreto aloha dia tsy mbola nisy olona ahiahiana amin’ny ity vonoan’olona ity nosamborina.
A.R.