- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Lehilahy maty tao anaty vovo fasika

Maevatanana : Lehilahy maty tao anaty vovo fasika

Lehilahy iray sahabo ho 40 taona eo ho eo, no nisy nahita tao amin’ny vovo fasika tao amin’ny fokontany Ambatofotsy, kaominina Maevatanàna voalohany,ny Talata 30 janoary lasa teo, tokony ho tamin’ny 06 ora maraina. Raha filazan’ireo olona tonga nijery izany teny an-toerana dia samy manana ny filazana avy hoe maty nomena poizina na soavalin’ny mpamosavy na vokatry ny vono natao taminy no nahafaty ity olona ity. Ny fianakaviana kosa anefa milaza sy mitsipaka amin’ny filazan’ireo olona sasany, fa hoe maty nomena poizina no nahafaty an’ilay lehilahy. Hatreto anefa tsy mbola misy ny olona ahiana ho nahavanona ny loza ho namono azy ity. Efa nidina teny an-toerana kosa ireo mpitsabo sy ny polisy rehefa nampandrenesin’ny sefom-pokontany ao Ambatofotsy. Araka ny tatitry ny fianakaviany ihany no nahalalana, fa efa tsy nody an-trano ny Alatsinainy teo ity rangahy ity, raha nikasa hamonjy tsena eto Maevatanàna. Indrisy fa tao amin’ny vovo fasika ambany Atsinanana no nahitana ny fatin’ilay rangahy, ka izao mbola mampiahiahy sy mipetraka ho baraingo hatramin’izao. Marihina fa efa nalain’ny fianakaviany ho any Antsiafabositra ny razana, ary ny polisim-pirenena eto Maevatanàna no manao ny fanadihadiana.

 

  Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici