Vita ny famotorana nataon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona teto Maevatanàna momba ny fanolanana zazavavy 11 taona , tao Anosy kely Avaratra, ny herinandro lasa teo. Natolotra ny fitsarana ka naiditra am-ponja vonjimaika ilay lehilahy, roa amby diman-polo taona, izay voarohirohy. Ankizy mpiara-monina sy notaizana tao an-trano ihany no nanaovany herisetra ara-nofo. Izany hoe zanadravaviny vadiny io ankizy io, no sady nipetraka tamin’izy roa nandritra ny taona maro. Ny reniny niteraka sendra nandalo nanao fizahana tamin’ilay zanany no nahalala ny toe-batana somary niova. Teo no nataitra ny mamany, ka voatery noentina teny amin’ny tobim-pahasalamana hatao fizahana, indrisy anefa fa potika tanteraka ny hoaviny razazavavy izay mbola manohy ny fianarany. Tsy nisalasala nilaza ny nanjo sy ny herisetra natao taminy ity farany, rehefa nahita ny mamany kotsan-dranomaso, ary tsy nijanona teo ny raharaha fa nampiakarina teny amin’ny fitsarana, ka izao niafara tamin’ny famonjana ny rangahy ratsy tanjona izao. Mbola amin’izay resaka fametavetana zaza tsy ampy taona izay ihany dia, lehilahy iray hafa kosa no nitondra zazavavy 16 taona nitsoaka avy any Andriba. Notadiavin’ny ray aman-dreniny ilay zazavavy, rehefa tsy hita teo an-tanàna, tamin’ny herinandro lasa teo. Teto Maevatanàna ihany no nahitana ny rahavevavy, taorian’izay, ary nitantara ny nahazo azy izy. Nentin’ny lehilahy iray nafenina tao amin’ny fokontany Anosy kely Avaratra no sady nanaraotany ny filan-dratsiny tany amin’ny toerana mangigina ilay zaza. Fantatr’ity farany io nitondra azy io, » hoy ny mpanao famotorana. Voatery nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly iry niharam-boina. Ny lehilahy kosa efa nanaraka fihinana » Mangahazo maina » eny amin’ny fonjan’Ambodimadiro, miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Ratantely