Tsy nanaiky hatramin’ny farany ireo Zandary raha tsy voasambotra ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny famonoana an-dRazacky tao Andranobevava, andro vitsy lasa izay. Nahazo loharanom-baovao tamin’ olon-tsotra ny Zandary avy eto Maevatanàna, fa misy olona roa lahy nampiahiahy tao anaty taksiborosy avy any Antananarivo hihazo an’ Androy, ny alin’ny Atalata lasa teo. Tany amin’iny faritra Fianarantsoa iny no voasakan’ny Zandary tany an-toerana ny fiara ary nosamborina avy hatrany izy roa lahy ireto, ka rehefa natao ny fisavana dia izy roa lahy tanaty taksiborosy ireto, dia efa namoahana didy fampisamborana. Teny am-panaovana fisafoana ny Zandary ao Fianarantsoa no naheno vaovao momba azy roa lahy. Ireto farany no voatondro ho tompon’antoka tamin’ny famonona an’Atoa Zacky tao Andranobevava, any amin’ny kaominina Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Nentin’ireo Zandary niverina aty Maevatanàna avy hatrany izy roa lahy ireto. Notazonina amin’ny fonjakelin’ny Zandary eto Maevatanàna ireo olona roa ireo no sady hatao famotorana. Araka ny vaovao voarainay hatramin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra, dia hatolotra amin’ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha, aorian’ny fanadihadiana azy roa.
Ratantely