- Publicité -
vendredi, août 1, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Lozam-piarakodia : olona roa no maty, telo hafa maratra mafy

Maevatanàna : Lozam-piarakodia : olona roa no maty, telo hafa maratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray ny làlam-pirenena fahaefatra iny ny harivan’ny alahady 21 aogositra lasa teo. Fiara « express » iray handeha hihazo an’i Mahajanga no nivarina tambany tetezana ka namoizana ain’olona roa, izay marihina fa mpivady. Manodidina ny tamin’ny roa ora sy sasany tany ho any no nitrangan’ny loza. Olona dimy no tao anatin’ilay « express » : mpivady no teo amin’ny seza anoloana ary telo mianaka kosa no tao aoriana. Raha ny filazan’ilay raim-pianakaviana nipetraka tao aoriana dia nanao programa andeha hiala sasatra any Mahajanga izy dimy ireto tamin’io andro io no izao niharan’ny lozam-pifamoivoizana izao. Voalaza fa nijanona nisakafo antoandro tao amin’ny hotely iray tao Maevatanàna izy ireo. Nanohy ny dia nianavaratra hihazo an’i Mahajanga izy ireo nony avy eo ka rehefa tonga teo amin’ny tetezana iray, 40 km miala an’i Maevatanàna, dia nivadika ny fiara ary nifatratra tany anaty rano, ambany tetezana. Vokany : maty tsy tra-drano ilay mpamily izay fantatra fa mpampianatra eny anivon’ny anjerimanontolo eto an-drenivohitra. Naratra mafy kosa ireo olona efatra hafa. Voatery noentina haingana tao amin’ny hopitalin’i Maevatanàna ireto. Anisan’ny nanampy sy nitatitra azy ireo tany amin’ny hopitalin’i Maevatanàna ny Ben’ny Tanànan’i Maevatanàna sy ny olona sasany tsara sitra-po nahita ny loza. Omaly maraina, tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any, dia voatery nafindra tao amin’ny HJRA ireo maratra noho ny tsy fahampian’ny fitaovana ahafahana mitsabo azy ireo. Ny vata mangatsiakan’ilay mpampianatra kosa dia najanona tao amin’ny tranom-paty ao Maevatanàna. Noho ny rà be loatra very tamin’ilay renim-pianakaviana vadin’ilay mpampianatra anefa dia nanary ny ainy teny an-dàlana ihany koa ity farany. Tsy fantatra mazava izay tena nahatonga ny fiara nivarina an-kady raha ny fitantaran’ilay raim-pianakaviana hatrany fa izy efa tany amin’ny hopitaly vao tonga saina. Ilay zaza vao telo taona monja niaraka tamin’izy ireo dia naratra mafy teo amin’ny tongony raha ny tanana sy ny tarehin’izy mivady mbola velona kosa no voa. Mbola manohy ny fitsaboana azy eny amin’ny HJRA izy telo mianaka ireto. Efa tonga nijery ny razana kosa ny fianakavian’ilay vadina ary mbola eo am-piandrasana ny vata mangatsiakan’ilay lehilahy mpampianatra vadiny.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici