- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversMaevatanana : lozam-pifamoivizana olona 10 naratra

Maevatanana : lozam-pifamoivizana olona 10 naratra

Teo amin’ny tanàna kely iray antsoina hoe Antanambao PK315+800 ny talata lasa teo, samy  nandeha mafy  na ny « camion citerne » na ilay  fiara « taxi-brousse mazda », tsy fantatra na maika loatra ity mpamily na ahoana fa dia ao anaty tetezana no nanaovany izany, fiara roa mifanena moa izy ireto ka toa ohatry ny manao fifaninanana hoe izay iray isika tafiditra mialoha eo ambony tetezana, amin’ny mahalehibe an’ilay « camion » dia natahotra ny hidona taminy ity « mazda », ka dia latsaka tany ambany tetezana, mazava ho azy fa tsy niara-tafiditra tao ireto fiara roa nifanena ireto ka dia naratra ny olona folo tao anatiny, tsy maintsy nijanona ity camion  ity ary niantso ny zandarimariam-pirenena tao Maevatanana handamina ny fifamoivozana.Ireo maratra kosa dia nentina notsaboina aty amin’ny hopitaly any Maevatanana. Tsy ny loza akory no mahafaly fa mba tsy nisy ny aina nafoy fa mbola hanentanana ny mpamily izay mampiasa ny lalam-pirenena fa ny fandehanana mafy dia tsy natao hoan’ny mpamily « taxi-brousse » akory fa hoan’ny taranja hafa fa tsy sanatria fifaninana no hanimbana sy handratrana olona.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser