- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilPolitiqueMaevatanàna : « Machine à drague » lasan’ny rano, olona telo...

Maevatanàna : « Machine à drague » lasan’ny rano, olona telo namoy ny ainy, iray tsy hita popoka

Omaly hariva no hita ny telo ambiny raha mbola tsy hita popoka kosa ny teratany sinoa iray. Raha ny vaovao marim-pototra voaray tamin’ny kaomandin’ny vondrontobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena eto Betsiboka, dia teo amin’ny enina kilaometatra miala ny tanànan’Andranobevava no nahitana an’ilay Zandary kilasy faharoa iray. Tany amin’iny faritra Anjiakely atsinanana kosa ilay Sinoa iray sy mpiara-miasa aminy,  Malagasy iray. Efa vatana manangatsiaka no hitan’ireo olona sy ny mpitandro ny filaminana nandritra ny fikarohana natao. Raha hiverenana ny zava-nitranga dia noho ny orambe nahazo andohany no nahatapaka ny  » Cable machine Drague, » izay no antony nahalasan’ny ranotrambo azy. Ny harivan’ ny talata teo no nahitana velona ilay Sinoa iray sy ny mpara-miasa gasy roa, saingy naratra vokatr’izany loza izany. Ny alarobia hariva ihany koa no nahitana ny telo ambiny izay voalaza etsy ambony, saingy efa namoy ny ainy izy telo ireo raha mbola an-dalam-pikarohana an’ilay teratany sinoa iray kosa ny fokonolona amin’izao fotoana izao.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici