- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Mahazo vahana sy miparitaka ny aretina kitrotro

Maevatanàna : Mahazo vahana sy miparitaka ny aretina kitrotro

Mahazo vahana sy miparitaka ny aretina kitrotro eto amin’ny renivohi-paritra Betsiboka. Ankizy miisa valo eo indray mantsy no tratran’ny aretina kitrotro raha ny tarehimarika navoakan’ny tompon’andraikitry ny fanaovam-baksiny ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Ankoatra ireo ankizy madinika latsaky ny dimy taona dia mahita faisana ihany koa ny olon-dehibe, eny fa na dia ireo efa vita vakisiny tamin’ny fahakeliny aza. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo iray dia miseho amin’ny alalan’ny fanaviana io aretina io. Mitsororika ranon-delo ilay olona, maharary be  ny lohany, manakotsako ny vanin-taolany ary mety hikohaka izy. Mety hitsororika ihany koa ny ranomasony, na menabe ilay maso, izay fantatra fa mety hahajamba na hafaty raha tonga eny amin’ny atidoha. Mety hiteraka tsiranoka any amin’ny atidoha ilay aretina, na mety hampivalana ihany koa raha tsy voatsabo. Manoloana izay dia nisy ny fidinana ifoton’ny nataon’ny mpiasan’ny fahasalamana tamin’ireo sekoly rehetra teto Maevatanàna tampon-tanàna na miankina amin’ny fanjakana na ihany koa tsy miankina. Na izany aza, dia tsy ilay kitrotro loatra no mahafaty fa ireo karazan’aretina manafika ilay marary raha vatany vao midina ny hery fiarovana ao anatiny. Ny fanaovana vaksiny no vahaolana tsara indrindra. Maimaimpoana ny fanaovana izany eny anivon’ireo hopitalim-panjakana, toy ny CSB. Afaka mandray an-tanana ireo marary ihany koa ny fitandroana hatrany ny fahadiovana ary ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana feno hery sy be otrikanina. Nolazain’ity dokotera Felucien ity, hatrany fa tsy tokony hianatra ao anatin’ny 15 andro ny mpianatra voan’ny kitrotro fa manaraka fitsaboina, fa ireo  mpiasam-panjakana ihany koa  tsy tokony hiasa ao anatin’ny 15 andro rehefa tratran’ny kitrotro. Araka ny fanazavan’ity dokotera ity hatrany dia manomboka amin’ny 07 ora maraina ka hatramin’ny 06 ora sy sasany hariva ny hopitalim-panjakana no tsy mitsahatra ny mandray marary isan’andro.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici