Efa matetika no andrenesana fanafihan-jiolahy ny eto Maevatanàna ambonivohitra. Inefatra nahitana fanafihana ny tao amin’ny fokontan’Ambodimadiro, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany. Ny herinandro lasa teo indray dia toeram-pivarotana mofosira iray teny amin’io fokontany voalaza etsy ambony io, no lasibatry ny fanafihana mitam-piadiana ny asabotsy lasa teo. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva mahery 15 minitra no nisehoan’izany. Lasan-dry zalahy tamin’izany ny vola maty nandritra ny tontoloandro. Telo no isan’ireo olon-dratsy nanatanteraka ny asa ratsy tao amin’ity toeram-pivarotana ity. Nitondra basy poleta iray sy zava-maranitra izy ireo. Raha ny fanazavana dia nanapoaka basy ry zalahy ireto talohan’ny hiditra, mba hoentina nandemena ny olona tao an-trano. Niditra an-keriny izy ireo ka teo amin’ny varavarankely no nanao izay fomba rehetra nahafany niditra. Dia nambanan’ireo tamin’ny fitaovam-piadiana nentiny ny olona rehetra hitany tao rehefa tafatsofoka izy ireo. Tsy nisy sahy nanohitra ny olona, ka voafehiny tanteraka ny fanafihana ary dia io nahazoan-dry zalahy vola tamin’io, lasa nandeha nitsoaka ireo olon-dratsy avy eo. Nandritra ny fotoana vitsy monja no nanafihan’ireo telolahy tao amin’ity tsena ity. Marihina fa tsy nisy ny naratra na namoy aina nandritra ny asa ratsy. Efa mandeha ny famotorana sy fikarohana ireo mpanafika amin’izao fotoana izao.
Ratantely