- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Maty voatifitry ny jiolahy teo amin’ny lohany ny tompon-trano.

Maevatanàna : Maty voatifitry ny jiolahy teo amin’ny lohany ny tompon-trano.

Nirefodrefotra indray ny basy tao amin’ny tanànan’Ambarijeby, any amin’ny kaominina Ambanivohitra  Tsararano, ny Zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 07 ora hariva. Tokantrano iray tany an-toerana no notafihana jiolahy maromaro tsy voafaritra isa nirongo fitaovam-piadiana. Araka ny fanazavana azo, avy hatrany dia niditra an-keriny tao amin’ity tokantrano iray notafihany ireo jiolahy sady nanapoaka basy nandrahonana ny tompon-trano sy ny mponina teo amin’ny manodidina mba tsy hivoaka. Taitra ny tompon-trano raha nandre ny feom-basy. Tonga dia norahonan’ireo malaso tamin’ny basy anefa ireo ka tsy nisy afa-nihetsika. Mbola nitifitra ihany anefa ry zalahy ka voan’ny bala teo amin’ny lohany ilay raim-pianakaviana, ka maty tsy tra-drano teo. Tsy nijanona ela ireo fa nitsoaka nandositra haingana rehefa vita ny nataon’izy ireo. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro ny filaminana taorian’izay mba hanenjika ireo dahalo saingy tsy mbola nisy voasambotra. Mbola mitohy hatrany ny fikarohana ary efa naterina ao amin’ny fokontany Ambinanikely kosa ilay razana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici