- Publicité -
vendredi, janvier 9, 2026
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : MD ireo mpitandro filaminana nanafika mpandanja volamena

Maevatanàna : MD ireo mpitandro filaminana nanafika mpandanja volamena

Taorinan’ny nahavoasambotra  an’ilay polisy nanao fanafihana Ramatoa mpandanja volamena iray, niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana toy ny  » basy iray sy bala, ary  » matraque  » ny andron’ny faha-23 desambra taona 2025 lasa teo iny dia tsy nijanona nanao asa fikarohana an’ireo nahavanon-doza ny polisim-pirenena miasa eto Maevatanàna. Tsy niandry ela ny mpitandro ny filaminana eo anivon’ny  » Commissariat eto Maevatanàna  » rehefa voasambotra ny polisy iray ( AP2) miasa any Ambondromamy fa nanao asa fikarohana ireo namany, ka nanaovana vela-pandrika ilay miaramila iray nahavita fanompoam-pirenena malagasy, miandry  » rengagement  » fa nofitahana tamin’ny alalan’ny vadiny, izay nasaina niantso an-tariby azy, tamin’ny toeram-pisotroana iray aty an-toerana. Rehefa tonga tampoka teo ny tenany dia nosaroman’ireo Polisy niisa enina, niaraka tamin’ny lehiben’izy ireo, ka raikitra ny sakoraka. Namaly nitsoaka ity farany fa voasambotra hatrany ny faran’ny taona 2025 teo iny. Voalaza ihany koa fa nisy  » Inspecteur de police  » iray naratra tapa-tongotra havia, tao anatin’ny fifanjevona efa nentina namonjy toeram-pitsaboana. Nandritra ny fanadihadiana azy moa dia niaiky ity farany, fa nanatanteraka ny asa fanafihana niaraka tamin’ireo namany, ka niakatra fampanoavana tamin’ny talata faha-06 janoary taona 2026 teo, sady naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany. Efa niditra am-ponja talohan’ny faran’ny taona teo ilay polisy iray. Mitohy hatrany ny fikarohana an’ireo roa lahy ambiny nanao asa fanafihana mpandanja volamena ny talata faha 23 desambra taona 2025 lasa iny, tokony tamin’ny 02 ora sy sasany maraina tany ho any.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici