
Rehefa migadona ny andro alina dia mandry tsy lavo loha ny mponina any amin’ny fokontan’Anjiakely andrefana, kaominina ambanivohitra Madiromirafy, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna an-kehitriny, nanoloana ny fanafihan-dahalo nahafaty voatifitra an’ilay lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe : Damena. Raha hotantarana tokoa ny tena zava-nitranga tamin’ny tapa-bolan’ny Asabotsy teo iny, tokony tamin’ny efatra ora maraina tany ho any dia niditra am-boletra tao an-tanàna, niaraka tamin’ny basim-borina ireo malaso tsy voafaritr’isa. Nirefodrefotra tsy nisy nifandrenesana ny poa-basy rehefa tafiditra, tao anaty valan’omby ny jiolahy. Vetivety teo dia nivoaka tao anaty trano ity ranamana voalaza anarana etsy ambony ity. Tsy niandry ela ireo malaso raha nahatsikaritra azy, fa tonga dia nampiasa ny basy teny an-tanany. Vokany : Maty tsy tra-drano i Damena. Minitra vitsy taorian’ny fanafihana mitam-piadiana tao Anjiakely andrefana dia nitondra ny omby niisa valo tao am-bala ireo dahalo, saingy nirifadrifatra teny am-pitondrana niala kely teo an-tanàna ny omby no nisy niverin-dalana. Nalaky voahangona ny vatan-dehilahy nanara-dia taty aoriana ny omby sasany votsotra. Nanohy ny lalana hatrany moa ny malaso hatreto. Ny razana kosa dia nomena ny fianakaviany, ao amin’ny fokontan’Amboabary, any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambalajia, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Nohon’io tranga io dia miaiana ao anatin’ny tebiteby ny mponina na dia misy « Poste fixe an’ireo Zandary, » aza ao an-tampon-tanàna ny renivohitry ny kaominina Madiromirafy.
Ratantely