Mampihorohoro ny dahalo eto Maevatanàna tampon-tanàna. Mirongatra izay tsy izy akehitriny ny asan-dahalo. Nirefodrefotra indray ny basy teny amin’ny fokontany Antanambao, kaominina Maevatanàna voalohany, ny alarobia 22 aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny 01 ora maraina. Nisahotaka ny mponina teto amin’ny renivohi-paritra Betsiboka raha nandre izany ary tsy nisy sahy nivoaka ny trano ny rehetra. Dahalo maromaro nirongo fiadiana no fantatra fa nanafika tokantrano iray tao amin’ny fokontany Antanambao. Solosaina fentina an-tanàna na “ Ordinateur Portable” raha ny fanisana vonjimaika no nalain’ireo malaso tamin’izany. Taitra ny manodidina raha nahita ny fandrobana ny fananany ka niantso vonjy avy hatrany. Nivoaka ihany ny fokonolona, kanjo tonga dia nitifitra sy nitora-bato ireo jiolahy. Soa ihany, fa mailo ireo olona, izay niverina nandositra tao an-tranony, raha tsy izany dia nisy naratra na namoy ny ainy teo izy ireo, satria tsy mitsitsy mihitsy ireo malaso ny hamono. Nizotra nianavaratra kosa ny dian’ireo dahalo izay voahelingelina nandritra ny fanafihana nataony. Taorian’izay vao niantso Zandary sy polisy ny fokonolona nanao ny fanarahan-dia. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo mahazo laka ankehitriny eto Maevatanàna ambonivohitra; izay toa tsy misy fanefitra intsony, dia mandry andriran’antsy sy miaina ao anaty tebiteby ny ankamaroan’ny mponina no sady mahatsiaro tena ho tsy misy mpiaro sy mpikarakara intsony.
Ratantely