Mihamaro ireo mpivarotra vorona rehefa fety toy izao. Saika ahitana azy avokoa ny tsena rehetra. Mitaraina amin’ny fiakaran’ny vidin’izy ireny ny mpanjifa. Tsy afa-manaotra kosa anefa ireo mpivarotra na eo aza izany. Eny amin’ireo mpiompy sy mpamogady mihitsy no niantombohan’ny fiakaran’ny vidin’ny vorona, satria miakatra ny vidin’ny sakafo omena azy ireny. Na izany aza manodidina ny 10 000 ariary eo ho eo ny fiakarany», hoy hatrany ireo mpivarotra sasany. Manodidina fito alina ariary eo ho eo ny vorontsiloza raha eniana alina ariary ny vidin’ny gisa eny amin’ireny mpivarotra ireny. Manodidina ny efatra alina ariary kosa ny gana sy ny akoho gasy. Mbola azo atao ny miady varotra eny amin’ireo mpivarotra fa na izany aza somary lafo kokoa noho ny tamin’ny taon-dasa ny vidin’ny vorona», hoy ny mpanjifa sasany. Mety hionona amin’ny gana sy akoho izahay ho amin’ny fety satria lafo loatra ny vorontsiloza sy ny gisa», hoy ny renim-pianakaviana iray mipetraka eny Antanambao. Ankoatra izany, efa miakatra ihany koa ny vidin’ireo entana samihafa ilana amin’izany fety izany, toy ny atody sy ny paty. Manomboka amin’ny 500 ariary ny atody iray ary mahatratra 600 ariary izany eny Ambodimadiro. Niakatra fiakarany manomboka amin’ny 700 ny vidin’ny paty eny an-tseana.
Ratantely